Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 20:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.

2. Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.

3. Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.

4. Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?

5. Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany.

6. Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.

7. Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 20