Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 17:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.

2. Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.

3. Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:

4. Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.

5. Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.

6. Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.

7. Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.

8. Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.

9. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.

10. Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.

11. Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 17