Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 14:16-24 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.

17. Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.

18. Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.

19. Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;

20. Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.

21. Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.

22. Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,

23. fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),

24. afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 14