Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 14:10-18 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.

11. Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.

12. Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.

13. Ary tonga ny anankiray izay efa nando­sitra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.

14. Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.

15. Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.

16. Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.

17. Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.

18. Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 14