Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 10:10-23 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.

11. Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala

12. ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.

13. Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita

14. sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.

15. Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,

16. ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita

17. sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita

18. sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.

19. Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.

20. Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.

21. Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.

22. Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.

23. Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 10