Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Fitomaniana 2:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!

2. Nolevonin'ny Tompo ny fonenan'i Jakoba rehetra, fa tsy niantrany; Noravany an-katezerana ny fiarovan'i Joda zanakavavy ka nazerany tamin'ny tany, tsy nohamasininy ny fanjakana sy ny mpanapaka,

3. Nokapainy tamin'ny fahatezerany mirehitra ny tandroky ny Isiraely rehetra; Nahemony teo anoloan'ny fahavalo ny tànany ankavanana; Ary nandoro an'i Jakoba Izy toy ny lelafo miredareda izay nandevona manodidina.

4. Nanenjana ny tsipìkany toy ny fahavalo Izy, nijoro naninjitra ny tànany ankavanana toy ny rafilahy Izy ka nandripaka izay rehetra mahafinaritra ny maso; Ny fahatezerany dia naidiny toy ny afo tamin'ny lain'i Ziona zanakavavy.

5. Ny Tompo dia tonga toy ny fahavalo ka nandevona ny Isiraely. Eny, nolevoniny ny lapany rehetra, sady noravany ny fiarovany; Ary nampitomboiny ny fisentoana sy ny fitarainan'i Joda zanakavavy.

Vakio ny toko manontolo Fitomaniana 2