Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 8:27-36 Malagasy Bible (MG1865)

27. sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.

28. Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.

29. Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.

30. Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.

31. Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.

32. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.

33. Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;

34. an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.

35. Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.

36. Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo Ezra 8