Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 7:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay

2. zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,

3. zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,

4. zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,

5. zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;

6. io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.

7. Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.

Vakio ny toko manontolo Ezra 7