Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 3:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin'ny tanànany avy ny Zanak'Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.

2. Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.

3. Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.

4. Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin'ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin'ny fanatitra dorana isan'andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan'andro avy.

5. Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin'i Jehovah ary ny avy amin'izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezra 3