Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 2:63-70 Malagasy Bible (MG1865)

63. Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.

64. Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,

65. afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;

66. ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;

67. ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.

68. Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.

69. Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa, dia darika volamena arivo sy enina alina ary mane volafotsy dimy arivo ary akanjo-mpisorona zato.

70. Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny sasany tamin'ny vahoaka sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra samy tao an-tanànany avy.

Vakio ny toko manontolo Ezra 2