Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 2:58-68 Malagasy Bible (MG1865)

58. Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon'i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.

59. Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin'ny Isiraely, na tsia):

60. ny taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ny taranak'i Nekoda, dia roa amby dimam-polo amby enin-jato.

61. Ary ny avy tamin'ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Habaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io, ka dia notononina araka ny anarany.

62. Ireo no nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana.

63. Ary ny governora nilaza taminy fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.

64. Ny tontalin'ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,

65. afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nisy mpihiralahy sy mpihiravavy roan-jato teo aminy;

66. ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;

67. ny ramevany dia dimy amby telo -polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.

68. Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.

Vakio ny toko manontolo Ezra 2