Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 2:36-46 Malagasy Bible (MG1865)

36. Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak'i Jedaia, avy tamin'ny mpianakavin'i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;

37. ny taranak'Imera dia roa amby dimam-polo sy arivo;

38. ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;

39. ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.

40. Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny taranak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.

41. Ary ny mpihira koa dia izao; Ny taranak'i Asafa dia valo amby roa-polo amby zato.

42. Ary ny taranaky ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia sivy amby telo-polo amby zato izy rehetra.

43. Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,

44. ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Siaha, ny taranak'i Padona,

45. ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagabaha, ny taranak'i Akoba,

46. ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay, ny taranak'i Hanana,

Vakio ny toko manontolo Ezra 2