Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezra 10:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.

2. Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.

3. Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.

4. Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.

5. Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.

6. Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.

7. Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;

8. ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.

Vakio ny toko manontolo Ezra 10