Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 8:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.

2. Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.

3. Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.

4. Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 8