Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 48:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.

10. Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany.

11. Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,

12. eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.

13. Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.

14. Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.

15. Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.

16. Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 48