Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 44:25-31 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.

26. Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.

27. Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.

28. Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.

29. Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.

30. Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.

31. Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 44