Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 43:5-8 Malagasy Bible (MG1865)

5. Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.

6. Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.

7. Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,

8. tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 43