Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 43:18-24 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:

19. Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.

20. Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.

21. Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.

22. Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.

23. Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.

24. Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 43