Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 43:14-27 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.

15. Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.

16. Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,

17. Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.

18. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:

19. Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.

20. Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.

21. Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.

22. Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.

23. Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.

24. Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

25. Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.

26. Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.

27. Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 43