Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 43:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.

12. Izao no lalàna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.

13. Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.

14. Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.

15. Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.

16. Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,

17. Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.

18. Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:

19. Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.

20. Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.

21. Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 43