Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 42:13-19 Malagasy Bible (MG1865)

13. Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.

14. Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.

15. Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.

16. Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.

17. Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.

18. Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.

19. Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 42