Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 41:20-26 Malagasy Bible (MG1865)

20. Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.

21. Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.

22. Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.

23. Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.

24. Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.

25. Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.

26. Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 41