Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 40:30-43 Malagasy Bible (MG1865)

30. Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.

31. Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.

32. Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.

33. Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.

34. Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.

35. Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,

36. ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.

37. Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.

38. Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.

39. Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.

40. Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.

41. Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.

42. Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.

43. Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 40