Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 4:7-17 Malagasy Bible (MG1865)

7. Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.

8. Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.

9. Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy.

10. Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.

11. Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.

12. Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.

13. Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.

14. Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.

15. Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.

16. Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.

17. Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 4