Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 33:16-27 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.

17. Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo; nefa ny fitondran'ny tenany no tsy marina.

18. Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.

19. Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.

20. Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.

21. Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.

22. Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

23. Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

24. Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika

25. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?

26. Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?

27. Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 33