Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 27:15-20 Malagasy Bible (MG1865)

15. Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.

16. Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.

17. Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.

18. Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny taozavatrao, dia ny haben'ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon'ondry fotsy izy.

19. Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.

20. Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 27