Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 27:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Hianao, ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Tyro,

3. ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin'ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an'ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!

4. Ao amin'ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.

5. Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.

6. Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima no nataony fipetrahan'ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.

7. Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin'ny moron-dranomasin'i Elisa no eloelonao.

8. Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.

9. Ny zokiolon'i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin'ny ranomasina mbamin'ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.

10. Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan'ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.

11. Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.

12. Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.

13. Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.

14. Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 27