Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 25:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: Hià! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,

4. Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.

5. Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

6. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,

7. Dia, indro, hahinjitro aminao ny tanako, ka hatolotro ho babon'ny jentilisa ianao; Ary hofongorako tsy ho vanon-ko firenena intsony ianao, ka hataoko lany ritra tsy ho amin'ny tany; Eny, haringako ianao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.

8. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'i Moaba sy Seïra hoe: Indro, ny taranak'i Joda efa tonga tahaka ny firenena rehetra izao,

9. Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin'ny Moaba, hatrany amin'ny tanànany rehetra, izay ravaky ny tany, dia Beti-jesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 25