Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 24:17-27 Malagasy Bible (MG1865)

17. Misentoa malemilemy ihany ianao, fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny hamamanao, ary asio kiraro ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona.

18. Ary nony maraina dia niteny tamin'ny olona aho; ary nony hariva dia maty ny vadiko; ary nony maraina indray dia nanao araka ny efa nandidiana ahy aho.

19. Ary hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin'izao ataonao izao?

20. Dia hoy izaho taminy: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

21. Lazao amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan'ny herinareo, dia ilay tian'ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon'ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, izay nilaozanareo.

22. Dia manaova tahaka ny nataoko ianareo: aza manarona ny saokanareo ianareo, na mihinana ny fahan-kanina aterin'olona;

23. ary aoka ho eo an-dohanareo ny hamamanareo sy ho eo an-tongotrareo ny kiraronareo; aza misaona na mitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.

24. Ary Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo; koa araka izay rehetra nataony no mba hataonareo; ary rehefa tonga izany, dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.

25. Ary ianao, ry zanak'olona, amin'ny andro hanesorako aminy ny heriny sy ny fifalian'ny voninahiny, ilay tian'ny masony sy ilay tian'ny fanahiny, dia ny zananilahy sy ny zananivavy,

26. eny, amin'izany andro izany dia hisy olona handositra ho tonga any aminao mba hampandre ny sofinao izany;

27. amin'izany andro izany dia hisokatra miaraka amin'ny an'ilay mandositra ny vavanao, ka dia hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony; ry ho famantarana mahagaga aminy ianao; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 24