Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 21:10-21 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ka dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no nanatsoaka ny sabatro tamin'ny tranony; Tsy hiditra intsony izy.

11. Ary ianao, ry zanak'olona, midridridridria toy ny tapa-balahana, eny, midridridridria amin'ny fangidiana eo imasony.

12. Ary raha izy manao aminao hoe: Nahoana ianao no midridridridry? Dia valio hoe: Noho ny teny efa re, fa ho avy izany, ho kivy ny fo rehetra, hiraviravy ny tanana rehetra, ary hivarahontsana ny fanahy rehetra, sady hanjary ho toy ny rano ny lohalika rehetra. Eny, ho avy izany ka ho tanteraka, hoy Jehovah Tompo;

13. Dia tonga tamiko ay tenin'i Jehovah nanao hoe:

14. Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Injao! sabatra! sabatra re! Voaranitra sady voafotsy koa.

15. Voaranitra hahafaty be izy; Voafotsy hanelatselatra izy (Sa isika hifaly hoe: Ny tsorakazon'ny zanako mamingavinga ny hazo rehetra?)

16. Ary nomena hofotsiana izy Mba horaisin-tanana; Voaranitra io sabatra io sady voafotsy, Mba hatolotra eo an-tanan'ny mpamono.

17. Mitomania sy midradradradrà, ry zanak'olona! Fa mihatra amin'ny oloko izany, dia amin'ny lehibe rehetra amin'ny Isiraely; Lavon'ny sabatra miaraka amin'ny oloko izy, koa misafoa sirana ianao;

18. Fa vita ny fizahan-toetra, Ka manao ahoana, raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? hoy Jehovah Tompo.

19. Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania, ka mitehafa tanana, ary aoka hihaloza roa heny, na telo heny aza, ny sabatra, dia ny sabatra izay efa nahatrabaka olona; Eny, ny sabatra izay efa nahatrabaka ny andriana no manemitra azy.

20. Nahebihebiko teny amin'ny vavahadiny rehetra ny sabatra, mba hahakivy ny fo sy hahatonga fahatafintohinana maro. Indrisy! nataoko nanelatselatra izy sady voaranitra hamono.

21. Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin'izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 21