Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 18:10-20 Malagasy Bible (MG1865)

10. Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny

11. (nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,

12. na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,

13. na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.

14. Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,

15. ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,

16. na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,

17. miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.

18. Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.

19. Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.

20. Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 18