Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 17:2-7 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,

3. ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;

4. ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.

5. Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.

6. Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.

7. Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 17