Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 16:16-23 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.

17. Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;

18. nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany

19. Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.

20. Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?

21. Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.

22. Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rànao.

23. Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 16