Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 12:16-28 Malagasy Bible (MG1865)

16. Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.

17. Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

18. Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.

19. Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.

20. Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

21. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

22. Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?

23. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.

24. Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.

25. Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.

26. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

27. Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.

28. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 12