Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 11:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.

9. Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.

10. Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

11. Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo

12. ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.

13. Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?

14. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

15. Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.

16. Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.

17. Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.

18. Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.

19. Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 11