Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 10:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny.

2. Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.

3. Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.

4. Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.

5. Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.

6. Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.

7. Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.

8. Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.

9. Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 10