Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Ezekiela 1:12-28 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia samy nizotra tamin'izay hitsiny avy izy, ka na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho nalehany dia nalehany: tsy niherika izy raha nandeha.

13. Ary tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zava-manan'aina, dia tahaka ny fijery ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan'ny zava-manan'aina ny afo; ary namirapiratra ny afo, sady nisy helatra nivoaka avy tao aminy.

14. Ary ny zava-manan'aina nifanaresaka nankary nankatsy toy ny helatra mifelopeloka.

15. Ary hitako ny zava-manan'aina, fa, indro, nisy kodia iray avy teo ambonin'ny tany, teo anilan'ny zava-manan'aina teo anoloan'ny tarehiny efatra.

16. Ny tarehin'ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon'ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin'ny kodia.

17. Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'izay hitsin'ny lafiny efatra: tsy niherika izy raha nandeha.

18. Ary ny boriboriny manodidina azy dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.

19. Ary raha nandeha ny zava-manan'aina, dia nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireo zava-manan'aina, dia mba niainga koa ny kodia.

20. Na aiza na aiza no tian'ny fanahy ho naleha dia nalehan'ireo koa; fa any koa no mba tian'ny fanahy haleha, ary ny kodia dia niainga teo anilany; fa teo amin'ny kodia ny fanahin'ny zava-manan'aina.

21. Raha nandeha ireny, dia mba nandeha koa ireto; ary raha nijanona ireny, dia mba nijanona koa ireto; ary raha niainga tsy nipaka tamin'ny tany ireny, dia mba niainga teo anilany koa ny kodia; fa ny fanahin'ny zava-manan'aina dia tao amin'ny kodia.

22. Ary teo ambonin'ny lohan'ny zava-manan'aina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon'ny krystaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin'ny lohany.

23. Ary nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany teo ambanin'ny eloelo: samy nanan-droa avy izy rehetra, izay nanaronany ny tenany.

24. Ary raha nandeha izy, dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon'ny rano be, dia tahaka ny feon'ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon'ny miaramila mitoby;

25. Ary nisy feo avy teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohany; nony nijanona izy, dia namihina ny elany.

26. Ary teo ambonin'ny eloelo, izay teo ambonin'ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin'ny vato safira; ary teo ambonin'ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik'olona.

27. Ary nahita toy ny volon'ny metaly mamirapiratra aho, dia hoatra ny tarehin'ny afo manodidina azy; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra ka hatramin'ny valahany no ho midina dia hitako tahaka ny afo, ka nisy namirapiratra manodidina azy.

28. Toy ny tarehin'avana amin'ny rahona amin'ny andro nisy ranon'orana no tarehin'ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny endriky ny voninahitr'i Jehovah. Ary nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka ka nandre ny feon'ny anankiray niteny.

Vakio ny toko manontolo Ezekiela 1