Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Estera 2:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.

2. Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;

3. ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,

4. koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.

5. Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,

6. izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.

7. Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.

8. Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.

9. Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.

10. Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.

11. Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.

Vakio ny toko manontolo Estera 2