Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 8:15-25 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.

16. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.

17. Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.

18. Fa havahako amin'izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran'ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan'ny tany.

19. Dia hasiako fiavahana amin'ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian'izany famantarana izany.

20. Ary nataon'i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin'ny tranon'i Farao sy tao amin'ny tranon'ny mpanompony ary teny amin'ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.

21. Ary Farao nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitrareo eto amin'ity tany ity.

22. Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin'ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin'ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?

23. Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.

24. Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.

25. Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin'i Jehovah mba hialan'ny lalitra amin'i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i'Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 8