Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 8:1-16 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin'ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.

2. Ary nahinjitr'i Arona tambonin'ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.

3. Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin'ny tany Egypta.

4. Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin'i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin'ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.

5. Ary hoy Mosesy tamin'i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?

6. Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an'i Jehovah Andriamanitray.

7. Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin'ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.

8. Ary Mosesy sy Arona niala teo amin'i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ny amin'ny sahona izay efa nataony tamin'i Farao.

9. Dia nataon'i Jehovah araka ny tenin'i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin'ny trano sy teny amin'ny tokotany ary tany an-tsaha.

10. Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.

11. Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.

12. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.

13. Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.

14. Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.

15. Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.

16. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 8