Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 6:9-19 Malagasy Bible (MG1865)

9. Ary Mosesy nilaza izany tamin'ny Zanak'Isiraely; nefa izy tsy nihaino an'i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.

10. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

11. Mankanesa ao amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak'Isiraely hiala amin'ny taniny.

12. Ary Mosesy niteny teo anatrehan'i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak'Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan'i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?

13. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin'ny Zanak'Isiraely sy ho amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, mba hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy amin'ny tany Egypta.

14. Izao no lohan'ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.

15. Ary ny zanakalahin'i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin'ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen'i Simeona.

16. Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan'i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.

17. Ny zanakalahin'i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.

18. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan'i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.

19. Ary ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen'ny Levita, araka ny taranany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 6