Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 4:21-28 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.

22. Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;

23. koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.

24. Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.

25. Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.

26. Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.

27. Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.

28. Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 4