Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 39:39-43 Malagasy Bible (MG1865)

39. ary ny alitara varahina sy ny makarakara varahina ho eo aminy ary ny baony sy ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,

40. ary ny fefy lamban'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany ary ny vavahady lamba eo amin'ny vavahadin'ny kianja ary ny kofehiny sy ny tsimatra, ary ny fiasana rehetra momba ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana,

41. ary ny fitafiana makarakara ho enti-manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny manao fisoronana.

42. Araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy, dia toy izany no nanaovan'ny Zanak'Isiraely ny asa rehetra.

43. Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian'i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 39