Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 39:2-6 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary nanao ny efoda tamin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina izy.

3. Ary namisaka ny volamena ho takelaka manify izy, dia nandidididy azy ho kofehy volamena, hahasiny amin'ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika, dia asan'ny mpanenona mahay.

4. Ary nataony nisy soroka roa avy amin'ny sisiny roa hampikambanana azy.

5. Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

6. Ary ny vato beryla nasiany randram-bola­mena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 39