Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 32:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?

12. Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.

13. Tsaro­vy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.

14. Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.

15. Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.

16. Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.

17. Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.

18. Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 32