4. Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin'ny harato eo amin'ny zorony efatra,
5. Ary ataovy eo ambanin'ny sikin'ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
6. Ary manaova bao ho amin'ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
7. Ary ampidiro eo amin'ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin'ny lafiny roa amin'ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
8. Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
9. Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;
10. ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
11. Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
12. Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
13. Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
14. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
15. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.