Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 27:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.

14. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.

15. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.

16. Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.

17. Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,

18. Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

19. Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.

20. Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.

21. Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 27