Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 27:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,

13. Ary ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.

14. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.

15. Ary hisy fefy lamba dimy ambin'ny folo hakiho amin'ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.

16. Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.

17. Ny tsangantsangany rehetra amin'ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,

18. Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 27