Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 26:7-19 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy.

8. Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.

9. Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana.

10. Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.

11. Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.

12. Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely.

13. Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy.

14. Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.

15. Ary manaova zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely.

16. Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.

17. Lahiny roa no ho amin'ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin'ny tabernakely.

18. Ary manaova ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.

19. Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 26