Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Eksodosy 2:5-12 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.

6. Ary nony nosokafany, dia hitany ny zazakely; ary indro fa zazalahy mitomany. Dia namindra fo taminy izy ka nanao hoe: Isan'ny zanaky ny Hebreo ity.

7. Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatį»³ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?

8. Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Andeha ary. Dia lasa razazavavy ka naka ny renin'ny zaza.

9. Ary hoy ny zanakavavin'i Farao taminy: Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao. Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

10. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.

11. Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.

12. Dia niherikerika izy, ka nony hitany fa tsy nisy olona, dia novonoiny ilay Egyptiana, ary nasitriny tao amin'ny fasika ny faty.

Vakio ny toko manontolo Eksodosy 2